Kishore Kumar Hits

Rak Roots - Matokia dia Mangina şarkı sözleri

Sanatçı: Rak Roots

albüm: Matokia dia Mangina


Na varatra aza hipoaka tsy mahakasika ahy
Na tafiotra hitsoka tsy handrodana ahy
Satria fantatro fa 'zah misy mpiahy
Antsoy aho hoy Ianao dia ho valiako
Tsy mila Andriamanitra hafa aho f'Ianao no tiako
Tsy hanan-java-mahory aho rehef'Ianao no hitantana ahy
Matoky Anao aho, tantano aho
'Ty iraho aho, amin'izay lalanao
Ka mba tsolovy jiro mazava ihany aho
Fa olombelona mora solafaka aho
Fanilo ny tongotro ny teninao, hazavana mamiratra
Anaty aizim-be, aizim-pito, tsy hay hifankahitana
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
Izy no lalana sy fahamarinana e
Raiso ny tanany dia hamirapiratra
Ampatsiahiviko anao fa ianao dia zanany
Jereo ny halehibiazany
'Zao tontolo izao aza vitany tao anatin'ny andro fito
Tsy takatry ny saina mintsy oe hatraiza mo 'zany
Fa tena lehibe loatra tsy takatry ny saina
Miara-miarak'Aminy dia raiso ny tanany
Avelao ho tatanany, mipetraha eo amin'ny ankavany
Dia ho hitanao 'zany hasambarana mandrakizay
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
Jehovah hiady ho anareo fa nareo kosa hangina
Matokia dia mangina, ampelatanany anie ny hoavinao
(Vocalise)

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar