Lasa ny saiko hoe ♪ Ilay silaky ny aiko Atomboko aiza izao ny fitaizana anao Ho tantanako ve mba tsy hianjera ♪ Sa avela kely mba hahay andeha irery Tena hanao izay heriko aho Hahatafita anao Na sedra aza ny any aoriana Soa lavo hahay hamindra Mbola ho be ny ho atrehinao Inty aho Ho haiko anie Ny hampita ireny Anatra maro Fahalalana fahendrena Toroy aho ry Ray mba ho tena Ray aman-dreny (Instrument) ♪ Be reo ratsy fanahy Maro ireo ratsy fo Ataovy ny tsara Manaova ny soa Ilay Ray ao ambony ao Raiko sady mbola Rainao Izy no fantaro fa Izy no miaro Mbola ho tojo fitiavana Rehefa any aoriana any Raha sendra latsa-tomany Dingana ihany izany Raha mila manontany ianao Inty aho Ho haiko anie Ny hampita ireny Anatra maro Fahalalana fahendrena Toroy aho ry Ray mba Ho tena (Instrument) Hanampy izay Kely mba haiko Fitiavana anao Ry ilay silaky ny aiko Toroy aho ry Ray mba ho tena Ray amandreny O o o o o o o o o ooooo