Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Meloka şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Tadidiko (Madagascar)


Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho minia mitia anao
Saingy tsy voatana ny fo
Hitia anao an-tsokosoko
Ireo tanako am-po tsy hilaoka
Noferako tsy navelako hivaoka
Anefa toa hery tsy hay tohaina
Tiako hodradradradraina
Fa eo ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy takatro
Tsy ho ahy ianao fa fantatro
Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify
Efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify
Ny ahy misy tady eny am-bohozonana
Midiridiry tsy hay takonana
Ny taonantsika koa manelanelana
Izaho efa halazo ianao vao voa hamelana
Ianao ary elatra enti-hisidina
Izaho efa hitsingidina
Ny tanantsika dia hifanantona
Nefa tsy mihaona akory indreny miantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar