Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Voakazo Voarara şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Tadidiko (Madagascar)


Raha ity fiainana ity no lazaina
Dia izao no ataovy, ataovy ao an-tsaina
Mihodina indray, miserana ihany
Feno hasomparana, feno tomany
Raha vao latsaka ety an-tany
Dia injay sahady fa efa tomany
Mila hafanana, mila fitia
Mbola lavitra mantsy ny dia
Soloy fitiavana ny andronao sisa
Ny fotoana anie ka efa voaisa
Efa voafetra, efa voafaritra
Ka anjaranao no sisa miharitra
Mifankatiava raha mbola velona
Izany indrindra no maha-olombelona
Mifanampia, mifanasoava
Fa ny rahona mainty mbola hisava
Rahampitso anie mbola ho vovoka ihany
Raha ity fiainana ity no lazaina
Hody taolana sy vovoka an-tany
Dia izao no ataovy ataovy ao an-tsaina
Hitovy saranga, hitovy anjara
Fa nihinana voankazo voarara
Fa nihinana voankazo voarara
Fa nihinana voankazo voarara

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar