Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Rehefa Maty Aho şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Tadidiko (Madagascar)


Raha ho avy ralala ny taona hodiako
Ao ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
Ka vato no solon-kidoro hatoriako
Dia izao no mba vavaka zavatra ataovinao ahy
Voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako
Fotsy sy mavo ary manga sy mena
Ka avela haniry eo mandra-pifohako
Mba hanofisako ilay fanekena
Ny fotsy ho mariky ny fahadiovana
Misy aminao tsy mba azo lotoina
Soratra velona tsy azo vonoina
To ny orim-bato izay nifanaovana
Ny endriny mavo, ny fofony manitra
Dia fivavahana ataoko any an-danitra
Mba hitsinjovany anao tsy ho irery
Ombany raha sendra tsy misy mpijery
Ny manga ho marik'ilay fihafihana
Niaraha-niaritra zava-mangidy
Dia ilay andro namoizana ilay fifaliana
Niaraha-niharitra ilay zava-tsy fidy
Ny mena ho taratry ny afo tsy maty
Mirehitra lava ao anatin'ny foko
Io ilay fitia, fitia tena anaty
Fitia voakase sy voatomboka loko
Ny fasako ataovy eo andrefan-tanàna
Ataovy mikasika ny ilan-kamory
Soraty eo ny tenin'ny fanantenana
Tsy maty aho akory fa mbola matory
Ny moron'ny rano voleo volotara
Ka jerijereo fa aza avela ho maina
Tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara
Tsy miala eo aho raha tsy efa maraina
Na dia maty aza anie izany tenako be
Ka hiraraka an-tany ny ra ao am-poko
Ny fitiavako anao ka mipetraka anie
Tsy mba ho faty, tsy mba ho lo

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar