Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Embona şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Mahaleo (Bande originale du film de Paes & Rajaonarivelo)


Kely izy roa dia nifankatia
Hiaraka ho doria, doria
Ranomasina, ary lanitra
Nanao voady hifanambady
Ny anjara tsy mahaleo ny sitra-po
Tsy tafaraka akory izy roa
Fa nisampana ny lalana
Ny iray nianantsimo, ny iray nianavaratra
Embona no sisa tavela ao am-po
Embona an'olon-droa
Roapolo taona indray hariva izay
Toamasina nanorana tamin'izay
Nifanojo tokoa ny lalan'izy roa
Nisy ny antso, nisy ny sento
Hoy ilay vavy: firy ny zanakao?
Ny ahy i Miora toy ny anaranao
Ny ahy i Lova, hoy ilay lahy
Hatramizay aho tsy nanadino anao
Embona no sisa tavela ao am-po
Embona an'olon-droa

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar