Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Karaborosy şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Mahaleo (Bande originale du film de Paes & Rajaonarivelo)


Mba azafady kely tompoko o
Fa haroso ity tantara
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara o!
Tonga eto Tsarahonenana
Hitondra hira vaovao
Samia ianareo anio
Mba hiara-hihaino tsara o!
Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity
Eny o, eny a, eny o!
Eny o, eny a, eny o!
Mba azafady kely tompoko o fa haroso ity tantara
Samia ianareo anio mba hiara-hihaino tsara o!
Tonga eto Tsarahonenana hitondra hira vaovao
Samia ianareo anio mba hiara-hihaino tsara o!
Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity
Eny o, eny a, eny o!
Eny o, eny a, eny o!
Ianareo ve hijanona sa hiaraka aminay?
Karaborosy re ny tônabilina handehananay a.
Miaka-piakarana re izy mamindra vitesy a
Midim-pidinana re izy manitsaka frein a
Rehefa mijanona re izy vitesy point mort a
Fiara vanona be, sady mahery mandeha, 'méro TéGé
Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity
Eny o, eny a, eny o!
Eny o, eny a, eny o!
Ikala fanja mijanona tsy miaraka aminay a!
Karaborosy re ny tônabilina handehananay a
Miaka-piakarana re izy mamindra vitesy a
Midim-pidinana re izy manitsaka frein a
Rehefa mijanona re izy vitesy point mort a
Izahay tsy mila an-dRafanja, sipakely tsy mahay bà kely
Manao azafady an-dRafanjamalala
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa mbola mitohy ihany ny amin'ity
Eny o, eny a, eny o!
Eny o, eny a, eny o!
Mba azafady kely tompoko o fa vita ity tantara
Misaotra anareo anio mba niara-nihaino tsara o!
Tonga eto Tsarahonenana fa nitondra hira vaovao
Misaotra anareo anio mba niara-nihaino tsara o!
Manao azafady amin'ny ray aman-dreny
Hatramin'ny taona lasa ka hatramin'izao
Fa vita teo re ny amin'ity
Eny o, eny a, eny o!
Eny o, eny a, eny o!

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar