Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Marovoay - Live şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Live à l'Olympia (Edition integrale)


Ela nieritreritra hono aho an!
Ela nieritreritra
Aleoko mandeha any alavitra any e
Tsy hijanona eto aho ho'aho!
Fa sarotra ny fivelomana e!
Fa sarotra ny fivelomana a!
Hifindra monina lavitra any aho e!
Tsy hijanona eto aho ho'a!
Ny tanindrazana misy anay
Ny tanindrazana misy anay
Efa manomboka mihatery
Efa manomboka mihatery
Ny tany ngazana misy anay
Ny tany ngazana misy anay
Tsy mamokatra tsara intsony
Tsy mamokatra tsara intsony
Efa lasa lavitra anie aho a!
Efa lasa lavitra!
Mikarama any Marovoay aho e!
Ka hipetraka any aho ho'a!
E, raha te hanoratra ianareo
E, raha te hanoratra!
Tsy afa-mamaly ny taratasy aho e
Mbola sahirana
Raha taratasy mampalahelo
Raha taratasy mampalahelo
Aza alefa fa manahirana
Aza alefa fa manahirana
Raha taratasy mampalahelo
Raha taratasy mampalahelo
Aza alefa fa manakivy
Aza alefa fa manakivy
Ela nieritreritra hono aho an!
Ela nieritreritra
Aleoko mandeha any alavitra any e
Tsy hijanona eto aho ho'aho!

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar