Raha tsy voakolokolo dia simba ny tontolo hatrany ambanivolo Raha tsy misalasala mandripaka ny ala ireo hendry mody adala Raha tsy masaka ao an-tsaina fa tsy mamelona aina ny tany karankaina Tsy mety zarizary ny fambolena vary ho tonga ny mosary Mirehitra ireo hazo manakatra ny lanitra Manomboka malazo ireo voninkazo manitra Afo mijoalajoala mandrakotra ny ala Kila vetivety, may ny tanety Mihamaizina izy izany tsy hita ilay masoandro Mihamaizina ny tany, miovaova ny toetr'andro Miharingitra ny voary, tsy salama, tsy marary Mananontanona sahady ny ampitso mafy ady Fa ny masaka ao an-tsainy ny vola no ilainy Ny ankoatr'izay tsy hainy Ao dia ao ny lalàna mifefy ny tanàna ka tsy azonao ialana Ahondrany avokoa sokatra sy vatosa izahy misy tombo-tsoa Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy efa tsy omby ireo devizy Izy hono tsy voatery Ny hikolokolo Fa tsy aferan'izy irery raha simba ny tontolo Fa vola no ilainy, vola no isainy Vola, vola ihany no mampihodina ny tany Adidintsika jiaby ny mikarakara Iza ary no hibaby an'i Madagasikara Ny taranaka ao afara ve Dia andova tany ngazana Mba mihevera tsara re sao hanjavona tsy tazana Fa ahondrany avokoa sokatra sy vatosa Izahy misy tombo-tsoa Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy Efa tsy ho omby ireo devisy Fa ahondrany avokoa sokatra sy vatosa Izahy misy tombo-tsoa Dia lazainy fa kirizy nefa ny azy ny valizy Efa tsy ho omby ireo devisy