Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Ravorondreo - Live şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Live à l'Olympia (Edition integrale)


Ô Ravorondreo, etsy hafarako etsy ange ianao,
'Ty ny taratasy, ento amin'ny Sipa malalako any izy e!
Indray takariva nandrahona, sendra nandalo tananay izy ô
'Ty ranomasony, nipatrapatraka toy ny orana.
Teo anilanao anie aho(2)
Teo anilanao anie aho ra-Sipa no natositosikao an!
Efa lasan'olona ny foko(2)
Hoe voromanganao anie aho(2).
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa(2),
Nigogogogo sy nitomany.
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa(2),
Nigogogogo sy nitomany.
Indray alina,
Indray alina, tsy nahita tory fa nivadibadika,
Nahatsiaro, ireo safosafo sy orokoroka.
Teo anilanao anie aho(2)
Teo anilanao anie aho ra-Sipa no natositosikao an!
Efa lasan'olona ny foko(2)
Hoe voromanganao anie aho(2).

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar