Kishore Kumar Hits

Mahaleo - Manta Vary şarkı sözleri

Sanatçı: Mahaleo

albüm: Mahaleo Live à L'Olympia, Paris


Lasa ny mamba dia misosoka ny voay
Tsy hanary lamba raha very olon'iray
Na solaina aza mety maniry ny volo
Raha ianao no lasa ve dia tsy hisy hisolo?
Indray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevi-tsotrobe
Tsy hataoko hankarary fa voa mainka izaho hihomehy
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona o!
Mamy ny fary nefa ny faikany harora
Fa fitia tsy hanjary harorako mora
Fa io aizina io mbola hody hazavana
Raha hafoinao aho anio ampitso hahita hafanana
Indray mandeha no manta vary
Sanatria tsy handevi-tsotrobe
Tsy hataoko hankarary fa voa mainka izaho hihomehy
Mandehana soava-dia re ry anona
Fa ny aty tsy mitana izay malaina hijanona o!

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar