Maro ireo tantaram-pitiavana Talohan'ny antsika Ny antsika roa dia niavaka Vao nifankahita O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za Lavitra be tsy takatry ny maso Ny tany nalehanao Afon' ampombo tsy resin'ny ankaso Ny fitiavako anao O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za Tsy tarehy, tsy bika, na fitafy No nambabo ahy Fa ny fahatsoranao dia tso-drano mifafy Noraisiko ho ahy O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za O ry Ikala ratsy ity Otran'ny malahelo anao 'za Lasa ianao any lavitra any Lasa nianatra any ampita any Nandao tanindrazana Nandao namana Nandao havana O ry Ikala ratsy ity Mirary anao ho tafita 'za O ry Ikala ratsy ity Mirary anao ho tafita 'za O ry Ikala ratsy ity Mirary anao ho tafita 'za Ikala ratsy ity