Kishore Kumar Hits

Steph Rambi - Neny Ianao şarkı sözleri

Sanatçı: Steph Rambi

albüm: Tiako loatra


Misy fotoana aho
Miantso matetika ny anaranao
Anarana tiako
Izay miverimberina ao ambavako ao
Neny, mama,
Azo antsoina koa hoe reny malala
Izay niantsoako anao
Ato anatin'izao hira izao
Neny ianao, ilay taratr' hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako
Maro ireo bedy,
Bedy kely nanitsianao ahy hatramizay
Ao koa ny pejy
Nosoratanao hotsaroako rahatrizay
Niady mafy ianao
Hisandratan'ilay zanaka adala
Valaka ianao,
Dia mbola antsoinao hoe zanakao malala
Neny ianao, fitiavana
Nanome tsisy tambiny
Neny ianao, ilay namana
Zaraiko ilay tsiambaratelony
Niezaka foana Ianao hanohana ahy
Mety nihafy noana, Hanomezana ahy
Nefa ny fotoana
Dia mandalo
Dieny mbola mihaona
Atolotro anao izao hira izao
Neny ianao, ilay taratr' hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako
Neny neny
Mama mama
Neny neny
Mama mama
Neny neny
Mama mama
Neny neny
Mama mama

Поcмотреть все песни артиста

Sanatçının diğer albümleri

Benzer Sanatçılar